AMMS "ASSOCIATION MIMOZA MADASPORT" - Madagascar Football


|
Baolina kitra malagasy Fomba fijerin’ny mpilalao fahiny |
Andrianarijaona René na i « René Kely », mpilalaon’ny Olympique Club de Tana : « Tokony hiova amin’izay ny mpitantana ny federasionina. Mahatsapà tena ! Rehefa nahavita “mandats” roa dia omeo ny hafa amin’izay ny toerana fa tsy atao fitsapatsapana izy ity. Mila olona matotra afaka hitantanana ny baolina kitra. Firifiry ny mpanazatra nosoloina teo izay fa izao ihany no misy antsika”. Rehefa izany dia mbola nasiany teny ihany koa ny momba ny mpilalao sy ny lafiny ara-teknika. Nolazainy fa : “Taranaka aziatika isika ka kelikely vatana. Araka izany dia ny hafangainam-pandeha sy ny hafetsifetsena amin’ny filalaovana baolina ambany no handresena ny afrikanina. Aoka isika tsy hifamitaka. Tokony tsy mbola hanao Mondial izany fa ny Can aloha atao izay imasoana azy”.
Me Kira Michel, mpilalaon’ny Corps Enseignant de Tuléar : “Lesoka maro no tsy mampandeha ny baolina kitra eto amintsika. Tsy mijery baolina firy intsony kanefa kosa mbola milalao. Tokony haverina any amin’ny fotony ny kitra. Miainga amin’ny fanaovana baolina kitra any an-tsekoly sy amin’ny toeram-pampianarana ireny. Tsy atao ambanin-javatra ny fanaraha-maso ny mpilalao any amin’ny fokontany. Toa mandeha foana ny fiadiana ny tompondakam-pirenena kanefa ny teo ihany no teo. Ny “niveau régional” ve no tsy mifandanja ?”
Rakotonirina Désiré na i Dezy Monstre, mpilalaon’ny Assm / Act Les Routiers (vitsy teny) : “Tsy ampy fikarakarana na dia mahay baolina aza ny ankizy. Tsy ampy koa ny fikarakarana ny mpilalao ao anatin’ny ekipam-pirenena. Tsy vitan’ny iray volana izany monja. Tsy “normal” !”
Razanadraibe Guy na i “Guy Kely”, mpilalaon’ny Assm sy ny Fortior-n’i Toamasina : “ Mahay baolina fa tsy ampy ara-bola. Ilaina ary tsy ratsy akory ny hananana mpilalao “professionnel”. Vola tsy tonga any amin’ny mpilalao. Tsy fantatra izay alehany !” . nangonin’i a.r
Source : gazetiko.mg du 23/12/2011
Aucun commentaire pour l'instant, soyez le premier à laisser un commentaire.
| PARTENAIRE OFFICIEL |
FMF | COUPE D'AFRIQUE DES NATIONS |
LEAGUE DES CHAMPIONS |
CHAMPIONNAT D'AFRIQUE | PARTENAIRE ECO-SYS |
|
PRINCIPAUX PARTENAIRES : |










1. Par cheap louis vuitton belts le 23/02/2012
I really like your message and that way i like this post, keep posting more.thank you.
2. Par La hont le 21/02/2012
Randriamanantena Hary, un ancien international malgache Bizarre, c'est faux. On va se renseigner auprès ...
3. Par Vazah le 21/02/2012
Faut parler de la déculotté à Ferrières en gâtinais en 2011 ESG 9 Mimosa 0 Plus la bagarre initiée ...
4. Par Reeb le 19/02/2012
Bonjour Je voulais juste demander si vous aviez des moules à mofo gasy? Cordialement Reeb
5. Par lotmani le 18/02/2012
je suis entraîneur 3 degré diplôme avec longue expérience et préparateur physique certificat professionnel ...
6. Par assaf le 18/02/2012
bonjours nous voudront bien y participe au tournoi de amiens notre club et assocation sportive d'arnouville ...
7. Par jones le 17/02/2012
Thanks for sharing. i really appreciate it that you shared with us such a informative post..http://w ...
8. Par jones le 17/02/2012
Thanks for sharing. i really appreciate it that you shared with us such a informative post..http://w ...